26/05/2026
📢 ⚽️⚽️Filazana avy amin’ny Kaominina Ambohitrimanjaka⚽️⚽️
🎈Nanomboka ny Alahady 24 Mai 2026 lasa teo ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalao baolina kitra eny Anelotsara, izay karakarain’ny Kaominina Ambohitrimanjaka.⚽️
🎊Efa miroso ihany koa ankehitriny ny asa fanamboarana ny sisin’ny kianja, mba hanatsarana ny endriny sy hanamboarana toerana hipetrahan’ny mpijery sy ny mpanatrika.
Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ireo fotodrafitrasa ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fialamboly ho an’ny rehetra.🚩
🙏 Mankasitraka antsika rehetra hatrany amin’ny fiaraha-miasa sy fanohanana