05/05/2026
FALIARIVO
Miarahaba ny mpikambana rehetra ato amin'ny vondrona,
Hanao tatitra sy filazana.
Inoana fa betsaka isika no ZANAKA AM-PIELEZANA ato, na ny eto Antananarivo izany na ny any amin'ny Faritra.
Misy ny efa mahafantatra. Misy koa nefa mety tsy mbola mahafantatra fa misy fanamboaran-dalana any an-tanindrazantsika (Disitirika Andramasina).
Ary efa samy mietsiketsika daholo ny isaky ny firaisana.
Koa amin'izany indrindra dia mitodika manokana antsika zanaka am-pielezana Anjoma Faliarivo. Fa nisy fivorian'ny zanaka am-pielezana farany teo ny alahady 03 May 2026 lasa teo, izay nanaovana ny dinika ho fampandrosoana ny tananatsika mahakasika ny fanamboaran-dalana ka anaovantsika ezaka Gasoil 2.000 Litatra.
Hoan'izay tsy maharaka dia fanamboaran-dalana ilay atao, ary ny fampitaovana dia hiantohan'ny fanjakana mahefa ARY ny gasoil kosa no mba ifandrombonantsika. Marihina fa ny lalana ho hamboarina dia eo Ankorokana makany Ankavia.
TATITRA
Toy izao ny tatitry ny fivoriana natao teto Antananarivo (teny By Pass Iavoloha) ny alahady 03 May 2026 lasa teo:
โ Nitsangana ny birao ho an'ny ZANAKA AM-PIELEZANA AVY AMIN'NY KAOMININA ANJOMA FALIARIVO izay afahantsika mifandray sy mifanome hevitra sns... hoan'ny tanindrazantsika;
โ Fanangonana valopy EZAKA GASOIL "2.000 Litatra" HANAMBOARANA LALANA.
Hatreto, dia vola 1.400.000Ariary no efa am-pelatanana tamin'ny EZAKA GASOIL ary gasoil ### Litatra (mbola tsy voafaritra) avy tamintsika teto Antananarivo sy tany amin'ny Faritra.
Eto dia angatahana ny fiarahantsika mientana amin'ny fifampilazana any amin'ny tany misy antsika avy any sy izay fantatsika fa avy any an-tanana.
Ary indrindra indrindra izay vitanao amin'ilay EZAKA GASOIL "2.000 Litatra" HANAMBOARANA LALANA, izay vita fa tsy misy fetrany.
Farany,
Ilazana isika zanaka am-pielezana kaominina Anjoma Faliarivo fa misy fivoriana ny ALAHADY 07 Jona 2026 ho avy izao. Izay tanterahina eny By Pass Iavoloha, eo amin'ny arrรชt NO PROBLEM (alohan'ny GASTRO PIZZA), koa ento sahady ny anjara
: Zanak'ampielezana Anjoma Faliarivo