13/04/2025
⚠️Ampy izay ny fisisianao aminy fa efa fantatrao ny valiny fa tsy tia anao izy !
⚠️Ampy izay ny hafatra miafina alefanao, ilay manantena, satria raha tena tiany ianao, dia mahita fotoana ho anao foana izy !
Raha mbola ao aminao ny fisalasalana, raha mbola manontany tena dia izao ny tena marina : ''𝗧𝘀𝘆 𝗹𝗶𝗮𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻𝗮𝗼 𝗶𝘇𝘆 !''
Fantatrao izany, saingy mitady fialan-tsiny ho azy ianao :
"𝘚𝘢𝘰 𝘥𝘪𝘢 𝘴𝘢𝘩𝘪𝘳𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘺"
→ Tsia, tsy manam-potoana ho anao izy.
“𝘔𝘢𝘵𝘢𝘩𝘰𝘵𝘳𝘢 𝘩𝘪𝘧𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘺 𝘭𝘢𝘭𝘪𝘯𝘢 𝘪𝘻𝘺.”
→ Tsia, tsy matahotra ho very anao fotsiny izy.
“𝘔𝘪𝘭𝘢 𝘧𝘰𝘵𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘧𝘰𝘵𝘴𝘪𝘯𝘺 𝘢𝘯𝘨𝘢𝘮𝘣𝘢 𝘪𝘻𝘺.”
→ Tsia, safidy faharoa enao aminy, sady manararaotra mitady hafa ihany izy.
💡Tadidio fa tsy sarotra ny lehilahy, raha te hahazo zavatra izy, dia lazainy, asehony ary arahiny asa izany.
💡Raha liana aminao izy, dia hampafantariny izany
💡Raha tena te hiaraka aminao izy, dia ho tsapanao amin’ny fijeriny, fihetsiny sy ny fiteniny.
💡Ary raha tena tiany ianao, dia hiady ho anao izy, tsy mila anontaniana akory !
, le quotidien des femmes