17/08/2025
🇲🇬😭Tonokalo mampalahelo😭 🇲🇬
Ity tonokalo ity dia anisan'ny tonokalo nampalahelo ny Malagasy rehetra satria sahala amin'ny omby sarety sy ny olona ny Malagasy sy ny vazaha tamin'ny andron'ny Fanjanahatany, manamafy izany ny asa anterivozona izay nampanaovin'ny vazaha an'ny Malagasy tamin'izany ka na dia tehamaly aza ny Malagasy tamin'izany dia tsy afamanoatra fa eo ambany fifehezan'ny vazaha....Araho ary ny tonokalo izay nahitana resaka fifamalian'ny ombin-tsarety sy ny olona mpampiasa azy.
OMBIN-TSARETY sy NY OLONA
Ombin-tsarety:
Aoka aloha re Tompoko, mba haka aina kely,
Ny entana manindry tsy hita velively,
Tsy araky ny aina fa tsy hoe hakamoana,
Ny vozona marary, ny kibo tena noana
OLONA
Efa omby tsy manjary ilay baka ratsy ity,
Izay entan-kely io no mba entina ka mi...
Tadiavin’ialahy ho very foana angaha
Ny vilona omaly nalaina tany an-tsaha...?
OMBIN-TSARETY
Tadidiko iny Tompoko na dia tsy betsaka aza,
Ny voky kosa anefa tsy haiko ny milaza,
Satria izahay roalahy no niaraka namely
Ka izay anjaran-drery tsy ampy velively,
Ny alina aza mantsy ka saika tsy maraina,
Nihempahempa ery fa reraka ny aina.
Androany izao dia vao mangiran-dratsy
No niala an-tanàna, kanefa izay mba vatsy:
Mololo kely foana, mafika sady maina
Ny andro ‘nefa ity mangotraka migaina
OLONA
Ny hakamoan’ialahy ka « reraka aho reraka »
Lemanja ‘nefa iry mihoitra sy manezaka
Mibaribary izao fa ialahy no tena kary,
Mianatra mamaly sy manabe kabary.
OMBIN-TSARETY
Raha ny hamaly anao dia sanatria izany
Satria ny aiko mantsy dia mbola tiako ihany,
Lemanja io anie ka torovana tokoa
Saingy tsy sahy mamoaka ny ao am-pony;
Matahotra izy mantsy fa sao miampy indray
Ny fanapahan-drambo sy kapoka mavay.
OLONA
Mameleza mafy raha tsy mamaly ary
Fa sao ialahy mahazo ny tena maharary;
Isan’andro izao na voky ialahy na noana
Dia tsy manan-tsaina afa-tsy mitokom-poana
OMBIN-TSARETY
Tsy fidiny mihitsy ny hoe mba hitokona
Fa ny aina manontolo no efa tena ankona;
Manezaka kanefa izao no fara-hery,
Ny rariny sisa andrasana hijery
OLONA
Raha ny rariny leity no tian’ialahy lazaina
Dia tokana ihany : miasà tsy malaina,
Tsy mamono antoka ny olona tompoina
Sy tsy mamalivaly rehefa mba baikona
Miezaka malady sy mba mivikiviky :
Izay no tena rariny fa... « adiroaty tiky ».
OMBIN-TSARETY
Izany rehetra izany dia arakay daholo
Feonao fotsiny aza dia mampitsangam-bolo
Ny fatiantokao dia tsy misy akory re
Ny tombom-barotra aza no manana amby be
Satria raha mahazo ariary roa izahay
Dia zara raha voatsipy mololon-dasiray.
OLONA
Mihevitra an’ialahy ho inona ialahy ?
No mba miana-kendry sy efa miha-sahy
Tsarovy tsara anie fa volako no niala
Nividianako an’ialahy fony mbola ankoala;
Tsy moramora koa ny namolaka an’ialahy
Impiry akory ialahy no nitady hanoto ahy ?
OMBIN-TSARETY
Tsy laviko tokoa raha ny zavatra fahiny,
Kanefa tamin’izany nataoko fa tsy tsiny
Satria mantsy mafy ilay tena fahafahana,
Ka nikarokaroka izay làlan-kitsoahana,
Nefa tsy nahita ka fara-hery nety
Hivesatra ny zioga, hitarika sarety.
OLONA
Tena hitako izao fa mendrika an’ialahy
Ny hamidy indray amin’olona mpamahy,
Ts’izy intsony mantsy ka tokony ho hena
Tetehina rasaina, amidy eny an-tsena.
OMBIN-TSARETY
Efa resy mantsy ka dia miomana hijaly
Mangotsoka any foana tsy afaka mamaly;
Nony mitaraina fa misy mba tsy toha,
Lazaina ho maditra sy efa mafy loha
Ny rariny anefa dia ela aoka izany
Ka ny aina kely ity ho ritra ambony ihany.
Mpanoratra:Joséphine
Hajao ny Omby fa biby misaina izy ireny ary harena.
ZARAO RAHA TIANAO