21/03/2022
Taratasy avy amin-dRanavalona III ho an'ny vahoaka tao Ambohimanga Atsimo tamin'ny 10 Asorotany (6 Oktobra) 1886.
《lzaho efa nanome taratasy anareo teo aloha, ny amin'ny ala mba tsy hisy hikapa na hanimbasimba foana.
Koa izao indray no lazaiko aminareo: Ny amin'ny ala vaventy dia tandremo tsara mba tsy hisy hikapa na hanimbasimba foana. Fa ny ala no mandan'i Madagasikara ary anton'ny fivelomanareo.
Fa raha simba ny ala dia mahabe ny aretina ary mahatonga ny mosary satria ho kely ny orana.
Ka dia tandremo tsara ny ala fa fototry ny fanjakana.
Tandremo tsara ny Fanjakana.
Veloma finaritra ianareo.
Hoy Ranavalomanjaka
Mpanjakan'I Madagasikara.》
- - - - - - - - - - - - - - -
Cette lettre du 6 octobre 1886 est signée et porte le sceau de la Reine Ranavalona III (1883-1897). Elle ordonne les dignitaires du sud d’Ambohimanga de préserver la forêt en ces termes:
« Je vous ai auparavant écrit concernant l’importance de la préservation de la forêt pour éviter la coupe incessante du bois ou autre dégradation.
Aujourd’hui encore, je vous le rappelle, concernant la forêt qu’aucun arbre ne soit abattu et qu’aucune dégradation ne lui soit infligée. Car la forêt est le rempart de Madagascar et elle vous fait vivre.
La destruction de la forêt entraîne la propagation des maladies et engendre la famine, car les pluies ne seront plus assez abondantes.
Prenez soin de la forêt, car elle est la base du Royaume.
Préservez la souveraineté du Royaume.
Au revoir» .
Dit Ranavalomanjaka.
Reine de Madagascar.
Source: Musée de la photographie de Madagascar