Autocollant / Banderole Apokalypsy

Autocollant / Banderole Apokalypsy Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Autocollant / Banderole Apokalypsy, Home decor, Ivato/Ambohidratrimo, Antananarivo.

Efesiana 2:8-9: "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra; tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha."

😇MANKANESA ATY AMIKO HIANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA SY MAVESATRA ENTANA, FA IZAHO NO HANOME ANAREO FITSAHARANA"🥰 (...
16/05/2025

😇MANKANESA ATY AMIKO HIANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA SY MAVESATRA ENTANA, FA IZAHO NO HANOME ANAREO FITSAHARANA"🥰 (Matio 11:28)
🗓Ao anatin'ny Lohahevitra mandritra ny telo volana Faharoa:
.🙏
📆Ny zana-doha hevitra volana May:
.🙏
📖Ny Vakiteny Sabata 17 May 2025:

📍 📘T.Taloha : : 1-8
Ny fahitana roa avy amin'Andriamanitra momba ny fitsarana ho avy amin'ny Isiraely, ary ny fifonanan'i Amosy ho an'ny vahoaka.
🍀🌻Manasongadina ny fahari-pon'Andriamanitra sy ny fitraikan'ny fitarainan'ny mpaminany.
📍 📗FILAZANTSARA : : 1-11
(Ilay vehivavy tratra nijangajanga):
Ny fanehoan'i Jesosy famindram-po sy famelan-keloka tamin'ilay vehivavy tratra nijangajanga, ary ny antsony hoe "mandehana, ary aza manota intsony".
🍀🌻Manantitrantitra ny famindram-pon'i Jesosy sy ny fiantsoana ho amin'ny fiovana.
📍 📙EPISTILY: : 6-13
Ny torohevitr'i Paoly tamin'ny fiangonana tao Korinto momba ny tokony hanesorana ilay lehilahy nanao firaisana ara-nofo tamin'ny raikeliny, mba hiarovana ny fahadiovan'ny fiangonana.
🍀🌻Manasongadina ny maha-zava-dehibe ny fahadiovana sy fitondratena marina eo amin'ny fiangonana.
📍FAMPAHEREZANA: : 58
📖 "Koa amin'izany, ry rahalahy malalako, tomoera tsara, aza miova,
ary mahefà be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo,
satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo."
👇Ho Fampiharan-tsika ny Perikopa😇
✅Mahereza amin'ny fitalahoana: Tahaka an'i Amosy, aoka isika ho vonona hitaraina amin'Andriamanitra ho an'ny hafa ary hitady ny famindram-pony.

✅Manehoa famindram-po sy miantsoa ho amin'ny fibebahana: Araka ny nataon'i Jesosy, aoka isika ho feno famindram-po amin'ireo izay diso, saingy miantso azy ireo koa mba hiala amin'ny fahotany.

✅Tandremo ny fahadiovan'ny fiangonana: Araka ny torohevitr'i Paoly, aoka isika ho mailo amin'ny fitandrovana ny fahadiovan'ny fiangonana ary hiara-hiasa amin'ny fanitsiana ny diso amin'ny fitondratena.

✅Mahatoky sy mazoto amin'ny fanompoana: Araka ny fampaherezana ao amin'ny Romana, aoka isika ho mafy o***a sy tsy hiondana amin'ny fanompoana ny Tompo, satria fantatsika fa tsy very maina ny asa ataontsika ao Aminy.
Tanora Apokalypsy
Tanora Apokalypsy Malagasy
Tanora Apokalypsy Mandrakizay
Tanora APOKALYPSY Maneran-tany
TANORA APOKALYPSY MALAGASY
SERASERA TANORA APOKALYPSY
APOKALYPSY na FANAMBARANA

10/05/2025

💖Toritenin'i Pasteur Mailhol ny Sabata 10.05.25😇

😇MANKANESA ATY AMIKO HIANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA SY MAVESATRA ENTANA, FA IZAHO NO HANOME ANAREO FITSAHARANA"🥰 (...
09/05/2025

😇MANKANESA ATY AMIKO HIANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA SY MAVESATRA ENTANA, FA IZAHO NO HANOME ANAREO FITSAHARANA"🥰 (Matio 11:28)
🗓Ao anatin'ny Lohahevitra mandritra ny telo volana Faharoa:
.🙏
📆Ny zana-doha hevitra volana May:
.🙏
📖Ny Vakiteny Sabata 10 May 2025:

📍 📘T.Taloha : : 1-8
"Salamo abidy. Fankalazana ny lalàn’Andriamanitra. ALEFA."
(Ny fahasambaran'ireo izay mandeha amin'ny lalàn'i Jehovah sy mitandrina ny didiny amin'ny fo manontolo.)
ℹ️-Manantitrantitra ny fitiavana sy ny faniriana lalina ny lalàn'Andriamanitra.
📍 📗FILAZANTSARA : : 1-10
"Ny tori-teny nataon’i Jesosy Kristy teo an-tendrombohitra."
(Ny fitahiana sy ny fahasambaran'ireo izay manana ny fanahy ory, mitomany, malemy fanahy, noana sy mangetaheta ny fahamarinana, miantra, madio am-po, ary mpampihavana.)
ℹ️-Manasongadina ny toetra tokony hananan'ny mpianatr'i Jesosy.
📍 📙EPISTILY: : 4-6
"Ny amin’ny namatorana an’i Satana, sy ny amin’ny fitsanganana voalohany, ary ny arivo taona."
(Ny fahitana ny seza fiandrianana sy ireo izay nomena fahefana hitsara, ary ny fitsanganan'ny maty voalohany sy ny fiarahan'izy ireo manjaka amin'i Kristy mandritra ny arivo taona.)
ℹ️-Manolotra fanantenana ho an'ireo izay mahatoky hatramin'ny farany.
📍FAMPAHEREZANA: : 19
"Fananarana sy fanaovam-beloma."
📖 Aza mamono ny Fanahy.
👇Ho Fampiharan-tsika ny Perikopa:
✅Miezaha hankamamy ny Tenin'Andriamanitra:
Tahaka ny mpanao salamo, dia tokony hitady ny fahasambarana sy ny fitahiana amin'ny alalan'ny fankatoavana sy ny fitiavana ny Soratra Masina.
Halalino sy ampiharo eo amin'ny fiainana andavanandro ny didiny.

✅Velomy ireo toetra voalaza ao amin'ny Fahasambarana voalohany:
Manaova ezaka mba hanana fanahy ory, hangetaheta ny fahamarinana, hiantra, ho madio am-po, ary hampihavana.
Tsarovy fa ireo no lalana mankany amin'ny tena fitahiana araka ny fampianaran'i Jesosy tamin'ny fiandohan'ny toriteniny teo an-tendrombohitra.

✅Manana fanantenana amin'ny ho avy:
Ny fahitana ao amin'ny Apokalypsy dia manome fanantenana ny amin'ny fandresy farany sy ny fiarahana amin'i Kristy.
Tokony hampahery ny finoantsika izany ary hanosika antsika hiaina amim-pahatokiana.

✅Aza vonoina ny Fanahy:
Aoka ho mailo hatrany amin'ny fitarihan'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainanao.
Aza manao tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana ara-panahy na manakana ny asany eo amin'ny fiangonana.
Aoka ianao ho vonona handray sy hankatò izay lazainy.
Tanora Apokalypsy
Tanora Apokalypsy Malagasy
Tanora Apokalypsy Mandrakizay
Tanora APOKALYPSY Maneran-tany
TANORA APOKALYPSY MALAGASY
SERASERA TANORA APOKALYPSY
APOKALYPSY na FANAMBARANA

🎤Izay miandry anao 🎧(Bodokely)🎧Tsy voafetran’ny hitan’ny masoSy izay hoentin’ny fiainana.Fa lalana tsy maintsy ho diavik...
08/05/2025

🎤Izay miandry anao 🎧(Bodokely)🎧

Tsy voafetran’ny hitan’ny maso
Sy izay hoentin’ny fiainana.
Fa lalana tsy maintsy ho diaviko
Ny fanamboaranao.
Na indraindray aza mila tsy ho tanty
Fa mamaivay reo fisedrana.
Nefa ianao ihany
No manome hery ahy ahazakako izany.

*REFRAIN:
Tompo o mahatoky aho!
Fa mety ny fitondranao ahy.
Azoko antoka
Ny tananao momba ahy.
Ireo anjelinao
No atobinao miodidina ahy.
F’izay miandry anao
Tsy ho very fanantenana.

Mety tsy ho takatro androany
Ny anton’izao mahazo ahy izao.
Ny hany fantatro dia any ho any
Efa miasa ianao.
Ka handroso aho, hijoro hatrany
Fa tsy miova ny teninao.
Hoe « momba ahy ianao »
Na ho rava aza izao rehetra izao.

Tsy maintsy mandresy aho
F’izay ny tanjonao ho ahy.
Handreseko fankampanahy
Ho velon’ny finoana....
F’ianao no mitondra ahy
Ho amin’ny fiadananao.
Hanome ahy fiainam-baovao
Velon’ny herin’ny teninao.

REFRAIN x2:
Tompo o mahatoky aho!
Fa mety ny fitondranao ahy.
Azoko antoka
Ny tananao momba ahy.
Ireo anjelinao
No atobinao miodidina ahy.
F’izay miandry anao
Tsy ho very fanantenana.
--------

👉Mandray Commande foana hoan'ireo Sampana sy Rantsana, na koa olon-tsotra ka tianao hiavaka kely ny   sy   hanaovanao.💁‍...
07/05/2025

👉Mandray Commande foana hoan'ireo Sampana sy Rantsana, na koa olon-tsotra ka tianao hiavaka kely ny sy hanaovanao.

💁‍♂️Tongava MP malaky !
🤳Contact: 0342314307



̂che_publicitaire
́

27/04/2025

Totitenin'i Pasteur Mailhol ny Sabata 26/04/25🥰✨

😇MANKANESA ATY AMIKO HIANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA SY MAVESATRA ENTANA, FA IZAHO NO HANOME ANAREO FITSAHARANA"🥰 (...
21/04/2025

😇MANKANESA ATY AMIKO HIANAREO REHETRA IZAY MIASA FATRATRA SY MAVESATRA ENTANA, FA IZAHO NO HANOME ANAREO FITSAHARANA"🥰 (Matio 11:28)

🗓Ao anatin'ny Lohahevitra mandritra ny telo volana Faharoa:
🙏

📆Ny zana-doha hevitra volana Aprily:
🙏

📖Ny Vakiteny Sabata 26 Aprily 2025:

📍 📘Testamenta Taloha : :2-38
"Ny nahafatesan’i Samoela, ary ny amin’i Nabala sy Abigaila (mivady)."

🕵️‍♂️Ny hevitra nisongadina: 💁‍♂️Fahendrena sy fahamalinana ary fihainona an'i Jehovah amin'ny fiatrehana ny olana sarotra.

💡Ny hadalana sy ny fahasarotan'ny toetran'ny olona sasany (Nabala: ilay lehilahy saro-po sy ratsy amin’izay ataony).
💡Ny fahendrena sy ny fahaiza-mandanjalanja ary ny fahasahian'ny vehivavy (Abigaila: vehivavy hendry sady tsara tarehy izy) amin'ny famonjena ny loza.
💡Ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fidirany an-tsehatra amin'ny fotoana mety. (na tsy namely an'i Nabala aza i Davida; Jehovah no namely an'i Nabala ka dia maty izy)

😇👉*Hampiarana azy:
ℹ️Miezaha ho hendry sy malina amin'ny fifandraisanao amin'ny olona, indrindra ireo mety ho sarotra.
ℹ️Aza mihetsika araka ny hatezerana na ny fihetseham-po fotsiny, fa mieritrereta tsara ny vokatry ny ataonao.
ℹ️Mahereza miteny sy miasa raha misy loza mety hitranga.
ℹ️Matokia fa Andriamanitra dia afaka miditra an-tsehatra amin'ny fiainanao rehefa ilaina izany.
📍 📗Filazantsara : :38-41
"Ny nahasitranan’i Jesosy ny rafozambavin’i Petera sy ny olona maro koa."

🕵️‍♂️Ny hevitra nisongadina: 💁‍♂️Ny fahefan'i Jesosy amin'ny aretina sy ny herin'ny ratsy ary ny asa fanompoana.

💡Ny fiahian'i Jesosy sy ny fangorahany ny olona manana olana ara-batana sy ara-panahy.
💡Ny fahefany tsy manam-paharoa amin'ny fanasitranana sy ny fandroahana demonia.
💡Ny maha-zava-dehibe ny asa fanompoana sy ny fitoriana ny Filazantsara izay tsy ilaina laza sy dera na Izy tenany Kristy.

😇👉*Hampiarana azy:
ℹ️Mitadiava fanampiana amin'i Jesosy amin'ny fotoan'ny aretina sy ny fitsapana.
ℹ️Mino fa manana fahefana handresy ny zava-tsarotra sy ny herin'ny ratsy Izy.
ℹ️Manàna fo vonona hanompo sy hizara ny vaovao mahafaly amin'ny hafa.
📍 📙 Epistily : :8-21
"Fiainana amin'ny fahazavana sy ny fahendrena"

🕵️‍♂️Ny hevitra nisongadina: 💁‍♂️Fiainana vaovao ao amin'i Kristy, feno fahazavana sy fahendrena ary fankasitrahana.

💡Ny fiovana avy amin'ny maizina ho amin'ny mazava ao amin'i Kristy.
💡Ny tokony hanehoana ny vokatry ny mazava amin'ny asa tsara sy ny fahamarinana.
💡Ny maha-zava-dehibe ny fahalalana ny sitrapon'ny Tompo sy ny feno Fanahy Masina.
💡Ny tokony hifampilazàna sy hifampiresahana amin'ny salamo sy ny hira ary ny tononkira ara-panahy, ary ny fisaorana an'Andriamanitra mandrakariva.

😇👉*Hampiarana azy:
ℹ️Miezaha hiaina araka ny fahazavan'ny Filazantsara amin'ny alalan'ny fitondrantena tsara sy marina.
ℹ️Fantaro sy araho ny sitrapon'Andriamanitra amin'ny fiainanao.
ℹ️Aoka ho feno ny Fanahy Masina amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fiderana.
ℹ️Misaora an'Andriamanitra amin'ny zava-drehetra ary mifaneke anaty fahatahorana an'i Kristy.
📍 Fampaherezana :
:1 📕
📖 "Aleo tsara laza toy izay be harena; tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena."🙏
👨‍🏫Amin'ny ankapobeny, ireo dia miresaka momba ny:
,
,

eo imason'Andriamanitra sy ny olona.
Tanora Apokalypsy
Tanora Apokalypsy Malagasy
Tanora Apokalypsy Mandrakizay
Tanora APOKALYPSY Maneran-tany
Tanora Apokalypsy Malagasy
SERASERA TANORA APOKALYPSY
APOKALYPSY na FANAMBARANA

21/04/2025

😇Toritenin'i teny amin'ny 19/04/25🥰

18/04/2025
Avec Gideona Télévision/Radio Fanambarana – Je viens d’être reconnu(e) comme l’un(e) de ses meilleurs fans ! 🎉
17/04/2025

Avec Gideona Télévision/Radio Fanambarana – Je viens d’être reconnu(e) comme l’un(e) de ses meilleurs fans ! 🎉

Sabatry Jehovah !🥰Mbola mitohy foana ny fandraisana commande tee-shirt personnalisé hoan-tsika fikambanana sy Sampana.Pr...
15/04/2025

Sabatry Jehovah !🥰

Mbola mitohy foana ny fandraisana commande tee-shirt personnalisé hoan-tsika fikambanana sy Sampana.
Prix +10pcs: 16.000ar

☎️Contact: 0342314307

Address

Ivato/Ambohidratrimo
Antananarivo

Telephone

+261342314307

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Autocollant / Banderole Apokalypsy posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share

Category