05/06/2025
05 Jona : andro maneran-tany ho an'ny tontolo iainana
Ho antsika eto Madagasikara, ny lohahevitra amin'ity taona ity dia ny hoe :
"Nosy ho amin'ny ho avy tsy misy fandotoana plastika".
Mahatratra 3 taonina eo ho eo ny fako eto Madagasikara. Ary 10 isan-jato amin'izany dia fako plastika avokoa. Kanefa, fantatrao ve fa ny fiparitahan'ny fako plastika dia :
💧Mandoto ny rano sotrointsika : na ny rano miangona ambanin'ny tany, na ny rano mandeha dia mety hankarary antsika nohon'ny fahasimban'ny plastika izay entiny.
🐡 Loza ho an'ny zavamanan'aina anaty ranomamy sy ranomasina : mety hihinana na hovoafandrika anaty plastika ny biby an-drano ka hiteraka fahafatesana, en, hatramin'ny faharinganan'ny taranak'izy ireo izany.
Noho izany,
Inona ara ny afaka hatao mba hiadivana amin'ny fako plastika ?
📉 Manena ny fampiasana fitaovana vita amin'ny plastika : manjifa ireo fitaovana izay azo ampiasaina amin'ny fotoana maharitra.
♻️ Manatokana sy manasokajy ireo fako plastika :
Ahodina ho lasa fitaovana fampiasa hafa ireo fako mba tsy hanariana azy ireo.
🧹Mandray anjara amin'ny fanadiovana : rehefa tsy manary fako eny rehetra eny dia efa mitovy amin'ny manadio ihany. Tsara ihany koa anefa raha mba mandray anjara amin'ny fanadiovana ireny toerana iombonana ireny isika.
👩🏽🏫 Manabe ny manodidina : Ny fanabeazana no antoka voalohany amin'ny fandrosoana ka manentana anao hampahafantatra ny hafa ny maha-zavadehibe ny fiarovana ny tontolo iainana.
Andao hiaro ny tontolo iainana, fototry ny aintsika olombelona ! 🌱