17/01/2026
Tsy nianatra 💯
Tsy nianatra ny Ntaolo nefa nanam-pahendrena :
Ka nanaja ray sy reny mihoatra ny volamena,
Tsy nianatra izy ireo nefa iaraha-mahalala :
Tena ampy fandinihana ary tsy niadaladala !
Fa nianatra ianao ary tapi-pahaizana :
Dia mizahozaho erỳ ary tena hikolaizana,
Fa nianatra ianao saingy tsy ampy fifehezana:
Dia mandraby ireo hafa, manao azy fihomehezana !
Tsy nianatra ny Ntaolo nefa be fandinihana ;
Raha tokonana no tsy afaka dia ny rindrina tsy hianihana,
Ampy azy hakana lesona ireo zava-manan’aina :
Tsy nianatra izy ireo saingy kosa nanan-tsaina !
Fa ny sasany ankehitriny raha nandalo sekoly ambony :
Dia mirehareha fatratra na ny vatany sy fony,
Lasa tia doka tena, hebohebo tsy ho lazaiko ;
Tsisy singam-pahendrena fa miseho mibaikobaiko !
Izaho miteny am-pahatsorana fa ny nianatra dia tsara :
Dia ny mahitsy no tokony hizorana mba hametraka tantara,
Ampisehoy fa nahasoa ilay nianatra fa tsy very maina:
Aoka izany haha matotra anao ary ho fanohitra entina miaina!
Tsy mba nianatra lesy ny Ntaolo nefa nampiaiky ny maro tokoa a :
Fa lalin-tsaina sy nandini-javatra ambony be, eny tsy nanam-paharoa a,
Isika sasany ankehitriny ihany kosa vao mba nahay namaky boky :
Nahay nanisa ary nanoratra dia nametsifetsy sy nisoloky...
Na nanambany ireo ambany fahaizana...
́
in " ireo Taloha ❤️ "
16/01/2026
*soratra, fiainana
(21:57)
Ity no Lycée Analakely aminy ❤️, ao anatin’ny commune rurale Masindray. Sary tazan-davitra