Ergo'vie

Ergo'vie Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Ergo'vie, Home improvement, Nanisana, Antananarivo.

🤗Ny boky sy ny ankizy🤗 FANTATRAO VE FA.....🤔👉🏽Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny ankizy ny boky. Hatram...
23/01/2026

🤗Ny boky sy ny ankizy🤗

FANTATRAO VE FA.....🤔

👉🏽Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny ankizy ny boky. Hatramin’ny fahazazany, ny boky dia manampy amin’ny fampivelarana ny fahalalana, ny fahaizana mianatra ary ny saina mamorona. Ny famakiana boky miaraka amin’ny ankizy na fanazarana azy hamaky dia manampy betsaka amin’ny fivoarany ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-tsosialy.
Ny soa azo avy amin’ny boky ho an’ny ankizy
📚 Fampivelarana ny fiteny : mampitombo ny voambolana ary manatsara ny fahaizana mifandray.
🧠 Fanentanana ny saina : mampivelatra ny fitadidiana, ny fifantohana ary ny fahazoana hevitra.
🎨 Fampiroboroboana ny saina mamorona sy ny eritreritra.
❤️ Fivoarana ara-pihetseham-po : manampy ny ankizy hahatakatra ny fihetseham-pony sy ny an’ny hafa.
🤝 Fanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mandritra ny famakiana boky miaraka.
🎓 Fanomanana ny fahombiazana any an-tsekoly.

Ireto ary ny boky mifanaraka amin'ny sokaji-taonan'ny ankizy tsirairay😉

👉🏽 1-2 taona
Boky lamba na boky baoritra matevina
Sary tsotra sy miloko
Boky misy feo na azo tsapain-tanana
➡️ Tanjona : fanentanana ny fahatsapana sy fahafantarana sary.
👉🏽 3 – 5 taona
Boky misy sary betsaka sy soratra kely
Tantara fohy sy angano tsotra
Boky misy famerimberenana sy tononkira
➡️ Tanjona : fampivelarana ny fiteny sy ny saina mamorona.
👉🏽6 – 8 taona
Boky mora vakiana irery
Tantara tsotra misy fehezanteny fohy
Boky fanabeazana sy angano
➡️ Tanjona : fianarana mamaky sy mahatakatra.
👉🏽9 – 12 taona
Tantara ho an’ny tanora (roman jeunesse)
Tantara lava kokoa sy sarotra kokoa
Boky fanabeazana sy bande dessinée
➡️ Tanjona : fampivelarana ny fisainana lalina, ny fahaleovan-tena ary ny fitiavana mamaky boky.

Aza Adino Aaan😉....

Ny boky dia fitaovana tena ilaina amin’ny fivoaran’ny ankizy amin’ny lafiny rehetra. Ny fisafidianana boky mifanaraka amin’ny taonany dia manampy amin’ny fampiroboroboana ny fahalianany amin’ny famakiana sy ny fahombiazany eo amin’ny fiainana sy ny fianarana.

21/11/2025

'VIE

TSIORY

Hello Hello🤗🤗'Ndao  indray mba resahana ny atao hoe "Trouble du Spectre Atistique na ny TSA" eee☝🏽🟡 Ny TSA dia aretin'ny...
15/11/2025

Hello Hello🤗🤗

'Ndao indray mba resahana ny atao hoe "Trouble du Spectre Atistique na ny TSA" eee☝🏽

🟡 Ny TSA dia aretin'ny fivoaran'ny atidoha na "trouble neuro-developmental" izay misy fiatraikany amin'ireto sehatra ireto :
➡️ FIFANDRAISANA sy ny FIFAMPIRESAHANA "LA COMMUNICATION ET LES INTERACTIONS SOCIALES"
👉🏽 Manana fahasoratana amin'ny fahatakarana ny fihetseham-pon'ny hafa
👉🏽 Misy fahasahiranana amin'ny fifampiresahana "difficulté à entretenir une conversation"
👉🏽 Ny fahaizana milalao miaraka amin'ny hafa dia mety ho voafetra.
➡️ Ny fihetsika sy ny fitondran-tena "COMPORTEMENT,INTÉRÊT et ACTIVITÉ
👉🏽 Fihetsika miverimberina na "mouvements répétitifs (mihifikifin- doha,mitehatehaka,...)
👉🏽 Manana fahasarotana miatrika fiovàna (besoin de routine)
➡️ FAHASAMIHAFANA EO AMIN'NY LAFIN'NY FAHATSAPANA "PARTICULARITÉ SENSORIELLE
-Hypersensibilité (bruit,lumière,....)
-hyposensibilité
-Mety hanana fanehoan-kevitra tsy mahazatra amin'ny alalan'ny tabataba,na fikasihan-tanana

🟡 Anjara asan'ny Ergotherapeute amin'ny TSA

🔔 Ny ergotherapeute dia manampy ny zaza na olona mba hahaleo tena,mahavita asa ary hahazo aina amin'ny tontolo ianana manodidina
NY ERGOTHERAPEUTE : dia mijery sy mandrefy :
👉🏽Ny fahaiza-manao ara-batana "la motricité fine et globale"
👉🏽La sensorialité
👉🏽Ny fifandraisana sy ny fahaiza-miteny "la communication"
👉🏽Ny fahaiza-manao amin'ny asa an-davanandro (misakafo,misasa,miakanjo,...)
👉🏽filalaovana
🟡 Ny asan'ny ERGOTHERAPEUTE :
1.Fampahazarana ny lafin'ny "sensoriel" na ny intégration sensorielle
👉🏽 Mba hahay fifehy ny "hypersensibilté na ny "hyposensibilité"
oh : Atelier de toucher ( amin'ny alalan'ny vary,vato,fasika,....)
2.Fampivelarana ny motricité fine
👉🏽Ho an'ny fanoratana,fanapahana,fiakanjoana
oh : enfilage des perles
3. Fampianarana ny asa andavanandro AVQ na ny "Autonomie dans les activités de la vie quotidienne"
'vie

Tsiory

Hello hello🤗 Rehefa avy niresaka  ny AVC ischémique ary isika dia andao indray ho resahana ny AVC hémorragique e ☝🏽✨AVC:...
11/11/2025

Hello hello🤗

Rehefa avy niresaka ny AVC ischémique ary isika dia andao indray ho resahana ny AVC hémorragique e ☝🏽

✨AVC: "Accident Vasculaire Cerebral"

🔰AVC hémorragique👉🏽fahatapahan'ny lalan-drà ao amin'ny ati-doha

🚨Mety hahatonga azy :

-Tosi-drà avo

-diabeta

-cholésterol avo

-Sigara

-hatavezana

-rari-tsaina

-fisotroana taoka matetika

💡Fitsaboana atao aorian'ny AVC "Réeducation post AVC"

Manatona➡️Ergotherapeute,Kinésithérapeute,orthophoniste

👉🏽Famerenana amin'ny laonininy ny fihetsikin'ny vatana na ny "récupération motrice (marche,préhension,....)Amin'ny alalan'ny Ergothérapie sy ny kinésithérapie

👉🏽Fanatsarana ny fiasan'ny saina na ny "réadaptation cognitive "(mémoire, attention,fléxibilité mentale,perception visuelle,....) amin'ny alalan'ny Ergothérapie

👉🏽Fanatsarana ny fomba fitenenana na ny "réeducation du langage amin'ny alalan'ny Ergothérapie sy ny orthophonie



☘️Fisorohana

-Jereo akaiky ny tahan'ny tosi-drà

-Atsahatra ny paraky,sigara,taoka

-Tsy mihinana sakafo matavy sy be menaka matetika

-Manao fanatanjahan-tena

# Ergo'Vie
# Ergothérapie
# Ergothérapeute Tsiory

AVC ischémique 'ndao ho resahana☝🏽✨AVC: "Accident Vasculaire Cerebral"🔰AVC  ischémique👉🏽fahatsetseman'ny lalan-drà ao am...
03/11/2025

AVC ischémique 'ndao ho resahana☝🏽

✨AVC: "Accident Vasculaire Cerebral"

🔰AVC ischémique👉🏽fahatsetseman'ny lalan-drà ao amin'ny ati-doha

🚨Mety hahatonga azy :

-Tosi-drà avo

-diabeta

-cholésterol avo

-Sigara

-hatavezana

-rari-tsaina

-fisotroana taoka matetika

💡Fitsaboana atao aorian'ny AVC "Réeducation post AVC"

Manatona:➡️ Ergothérapeute: fizakan-tena amin'ny fiainana andavanandro "AUTONOMIE"

➡️Kinésithérapeute

➡️Orthophoniste

➡️Psychologue

☘️Fisorohana

-Jereo akaiky ny tahan'ny tosi-drà

-Atsahatra ny paraky,sigara,taoka

-Tsy mihinana sakafo matavy sy be menaka matetika

Tsiory.

✨Ergothérapie! Andao ho resahana☝🏽🔰Ny Ergothérapie dia asa fitsabona mifantoka amin'ny "autonomie" na hoe fizakan-tena,"...
01/11/2025

✨Ergothérapie! Andao ho resahana☝🏽

🔰Ny Ergothérapie dia asa fitsabona mifantoka amin'ny "autonomie" na hoe fizakan-tena,"participation" sy ny "bien être" ny olona iray eo amin'ny fiainana an-davanandro.

🔰Ny tanjon'ny Ergothérapie dia manampy ny olona iray hahaleotena na marary izy na antitra na manana fahasembanana na manana fahasarotana eo amin'ny fanatanterahana ny fiainana andavan'andro.

🔰Iza no manao ny Ergothérapie⁉️ : Ergothérapeute

🔰Ireo olona raisin'ny Ergothérapeute antanana🤲🏽:

👉🏽Olona manana problème neurologique toy ny AVC, Maladie de Parkinson, ...

👉🏽Gériatrie na ireo be antitra manana olana toy ny Maladie d'Alzheimer, perte d'autonomie, ...

👉🏽Pédiatrie toy ny re**rd de développement psychomoteur, trouble de l'attention, hyperactivité, ...

👉🏽Psychiatrie toy ny trouble du comportement, toxicomanie

👉🏽Réeducation fonctionnelle

👉🏽Sehatra maro hafa koa

Address

Nanisana
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Ergo'vie posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share