Père Thomas

Père Thomas Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Père Thomas, Home improvement, yoanisthomas27@gmail. com, Antsirabe.

💥Mivavaka ho an’ny mpianany i Jesoa👉Jaona 17:1-13Ao amin’ity Evanjely masina ity dia hitantsika i Jesoa Kristy mivavaka ...
23/05/2026

💥Mivavaka ho an’ny mpianany i Jesoa
👉Jaona 17:1-13
Ao amin’ity Evanjely masina ity dia hitantsika i Jesoa Kristy mivavaka amin’Andriamanitra Ray alohan’ny hijaliany. Antsoina hoe Vavaka izany satria i Kristy no Mpisorona lehibe mivavaka ho an’ny olony.
Hoy i Jesoa :
“Ray ô, tonga ny fotoana; omeo voninahitra ny Zanakao.” (Jaona 17:1)
Midika izany fa fantatr’i Jesoa fa akaiky ny fijaliana sy ny hazofijaliana, nefa tsy nandositra Izy. Nanaiky ny sitrapon’ny Ray Izy mba hamonjena antsika.
👉Eto dia asehon’i Kristy fa ny tena voninahitra dia tsy ny harena na ny fahefana, fa ny fanekena ny sitrapon’Andriamanitra.
Hoy koa Izy :
“Ary izao no fiainana mandrakizay: ny hahalalany Anao, Ilay hany Andriamanitra marina, sy Jesoa Kristy Izay nirahinao.” (Jaona 17:3)
Tsy fahalalana amin’ny saina ihany no tian’ny Tompo hambara eto, fa fifandraisana velona amin’Andriamanitra. Izay miaina ao amin’ny vavaka, ny fibebahana, ny Sakramenta masina ary ny fitiavana dia mahalala an’Andriamanitra marina.
Nivavaka ho an’ny mpianany koa i Jesoa :
“Tahirizo amin’ny anaranao ireo nomenao Ahy.” (Jaona 17:11)
Mampianatra antsika izany fa mila fiarovan’Andriamanitra ny olona satria maro ny fakam-panahy sy ny ratsy eto amin’izao tontolo izao. Raha misaraka amin’Andriamanitra ny olona dia mora lavo; fa izay mitoetra ao amin’i Kristy dia voatahiry.
💥Ry havana, mbola mivavaka ho antsika mandraka ankehitriny i Kristy. Koa:
Aoka isika hitoetra amin’ny finoana Orthodoxe marina.
🙏Aoka hanana fiainam-bavaka sy fibebahana.
Aoka hiray saina sy hifankatia ao amin’ny Fiangonana.
🙏Ary aoka tsy hanary an’i Kristy na dia misy fahoriana aza.
🔰🔰🔰
☦️“Izay mitoetra ao amin’i Kristy dia voatahiry ao amin’ny fahamarinana sy ny fiainana mandrakizay.”
Amen.

19/05/2026
“ILAY   indray”(  9:1-38)🧲💥   nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny, ary nositraniny izy. Tsy ny masony ihany n...
16/05/2026

“ILAY indray”
( 9:1-38)
🧲💥 nahita lehilahy jamba hatrany an-kibon-dreniny, ary nositraniny izy. Tsy ny masony ihany no nisokatra, fa ny fony koa nahita an’i Kristy.
➡️Mampianatra antsika ity Evanjely ity fa misy olona mahita maso nefa mbola ☠️jamba ara-panahy:
☠️jamba amin’ny ota,
☠️jamba amin’ny avonavona,
☠️jamba amin’ny fankahalana sy tsy finoana.
🙏 irery no tena Fahazavana afaka manasitrana ny fontsika sy mitondra fiainam-baovao.
Indraindray ny fahoriana dia tsy famaizana, fa fomba isehoan’ny herin’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika.
➡️Koa na ao anaty haizina aza ianao anio, aza kivy, satria mbola mandalo Jesosy, mbola mahita anao Izy, ary mbola afaka manova ny fiainanao.
“Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao.”
9:1-38
Père Thomas
WhatsApp 261322096158

🧲💥 ➡️Rehefa misy   tsy marina mahazo anao na   , aza kivy. Tsarovy fa ny   dia tsy milefitra mandrakizay. 👉Ny   mandalo,...
12/05/2026

🧲💥 ➡️Rehefa misy tsy marina mahazo anao na , aza kivy. Tsarovy fa ny dia tsy milefitra mandrakizay.
👉Ny mandalo, fa ny faharetana sy ny finoana an’ no mitondra fandresena.
👉Aza mamaly ratsy amin’ny ratsy, fa avelao Andriamanitra hiasa amin’ny fotoanany. Mitoera matanjaka, fa tsy irery ianao.
WhatsApp 032 20 961 58

12/05/2026

Avec Kanto Kanto – Je fais désormais partie de ses super fans !

07/05/2026
🧲💥☦️    ho an’ny mpino mba  :          🙏➡️Mivavaha amin’ny fo madio sy finoana marina“Angataho amin’ny finoana, fa izay ...
05/05/2026

🧲💥☦️ ho an’ny mpino mba : 🙏➡️Mivavaha amin’ny fo madio sy finoana marina
“Angataho amin’ny finoana, fa izay mangataka tsy amim-pinoana dia toy ny onjan-dranomasina” ( 1:6)
🙏➡️Mifona sy mibebaha aloha
Ny ota dia sakana amin’ny valim-bavaka. “Raha misy ota ao am-poko, tsy hihaino ahy ny Tompo” ( 66:18)
🙏➡️Mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra
Tsy izay tiantsika foana no omeny, fa izay mahasoa antsika. (1 Jaona 5:14)
🙏➡️ Mahareta, aza kivy
Misy valiny avy hatrany, misy miandry fotoana. “Mangataha, dia homena ianareo” ( 7:7)
🙏➡️ Mamelà heloka
Raha tsy mamela ny hafa ianao, dia sarotra ny hahazo valim-bavaka. ( 11:25)
🙏➡️Ataovy miaraka amin’ny asa ny vavaka
Ny finoana tsy misy asa dia maty. (Jakoba 2:17)

💥Fo madio + finoana + faharetana + fibebahana + famelan-keloka = lalana mankany amin’ny valim-bavaka.
Père Thomas
WhatsApp+261322096158 ➡️ Toriteny sy fampianarana

🧲💥    na ny ( ) tsara dia tsy miankina amin’ny teny blablabla, fa amin’ny fitiavana ao am-po.👉 Mitenena amin’ny fahaleme...
02/05/2026

🧲💥
na ny ( ) tsara dia tsy miankina amin’ny teny blablabla, fa amin’ny fitiavana ao am-po.
👉 Mitenena amin’ny fahalemem-panahy
👉 Mihainoa amin’ny fo madio
👉 Mialà amin’ny teny mandratra
👉 Mifamela heloka mandrakariva
Hoy ny Soratra Masina:
“Aoka ny fitiavana no hifehy ny zavatra rehetra ataonareo.” (Kolosiana 3:14)
➡️ :
♥️mirindra ny fiarahamonina
♥️misokatra ny lalana rehetra
♥️tonga ny fiadanana
💌👉Ny fitiavana no lakile manokatra ny zavatra rehetra.
Père Thomas

🧲??  ”➡️  , 👉Na dia mafy aza ny olana sedraintsika 'ndraindray dia tsarovy fa eo akaikintsika fôna Andriamanitra. Hoy ny...
01/05/2026

🧲?? ”
➡️ ,
👉Na dia mafy aza ny olana sedraintsika 'ndraindray dia tsarovy fa eo akaikintsika fôna Andriamanitra. Hoy ny Soratra Masina: “Ny Tompo akaikin’izay torotoro fo” (Salamo 34:18).
👉Ny fahoriana dia tsy maharitra, fa làlana mampatanjaka ny finoantsika Raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-mandresy aminy koa.
➡️ :
☦️Mivavaha
☦️Matokia
☦️Mahereza
Fa ny alina mandalo, ary ny maraina tsy maintsy hoavy. COURAGE_DAHOLO.
👉Père Thomas

🧲💥   dia mariky ny   sy  .➡️ Tsy voatery ho zavatra lehibe ny asa soa, fa mety ho teny fankaherezana, tsiky, na fanampia...
27/04/2026

🧲💥 dia mariky ny sy .
➡️ Tsy voatery ho zavatra lehibe ny asa soa, fa mety ho teny fankaherezana, tsiky, na fanampiana kely aza. Rehefa manampy ny hafa isika dia manompo an’Andriamanitra.
👉Koa aoka hatao amin’ny fo madio, tsy mitady dera, fa amin-kitsimpo sy amin-kafaliana. Satria izay mamindra fo dia hahazo famindram-po.
💥💥💥💥💥 💥💥💥💥💥
WhatsApp+261322096158, TSINDRio👇
Père Thomas

🧲💥♥️Nitsangana tamin'ny Maty I KRISTY ♥️ 👉 Nalevina i Jesoa, ary ireo vehivavy Mirofôro dia nandeha  VAO maraina nitondr...
25/04/2026

🧲💥♥️Nitsangana tamin'ny Maty I KRISTY ♥️
👉 Nalevina i Jesoa, ary ireo vehivavy Mirofôro dia nandeha VAO maraina nitondra zava-manitra. Na dia natahotra aza izy ireo, dia nijanona ho nahatoky. Rehefa tonga teo amin’ny fasana izy ireo, dia nahita fa foana ny fasana, ary nandre ny hafatra lehibe fa: “Nitsangana i Kristy!”

👉 Ny fitiavana feno fahatokiana sy finoana dia mitondra antsika hahita ny fitsanganan’i Kristy.
Père Thomas

Address

Yoanisthomas27@gmail. Com
Antsirabe
101

Website

Thomas

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Père Thomas posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share