08/03/2025
ALAHADY FAHA-7
mandavantaona — D
«SOAVY IREO TSY TIA ANTSIKA»
Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka
Lk. 6, 27-38
Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: «Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony. Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa. Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa. Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany. Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa».
_Izany ary ny tenin'i Tompo
_Dera anie ho anao ry Kristy