M Hiri Design

M Hiri Design Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from M Hiri Design, Home improvement, Antsirabe.

Asa vita indray 🥰✍️📐Dessin technique fotsiny fa tsy nanao réalisation 💰Azo hifanarahana tsara ny resaka prix💸Gratuit ny ...
05/04/2026

Asa vita indray 🥰
✍️📐Dessin technique fotsiny fa tsy nanao réalisation

💰Azo hifanarahana tsara ny resaka prix
💸Gratuit ny modification na tamin'ny 2D na ny 3D

Tsy mba tianareo ve ny hahita ny rendue 3D e? 🙃

Ouvrier Spécialiste ve ianao nefa tsy sahaza ny fahaizanao ny Karamanao❓👷‍♂️ Soraty eo amin'ny Commentaire ny Spécialité...
13/03/2026

Ouvrier Spécialiste ve ianao nefa tsy sahaza ny fahaizanao ny Karamanao❓
👷‍♂️ Soraty eo amin'ny Commentaire ny Spécialité anao sy ny contact afaka hifandraisana aminao mivantana ☺️💬

ARY RAHA TOA KA TOA IZAO NY TRANONAO? 🏡✨Namboarina manokana ho anao ity trano mahafinaritra iainana ity. Ireto ny fototr...
06/03/2026

ARY RAHA TOA KA TOA IZAO NY TRANONAO? 🏡✨

Namboarina manokana ho anao ity trano mahafinaritra iainana ity. Ireto ny fototry ny design-ny:

🏘NY FOTOTRY NY CONCEPTION-NAY:

1️⃣LUMIÈRE NATURELLE MAXIMALE
Misy baies vitrées lehibe mitodika mianatsimo (orientées sud) mba hampidirana hazavana mandritra ny tontolo andro. Tapitra hatreo ny efitra maizina sy mando!

2️⃣CIRCULATION FLUIDE
Séjour mivoha malalaka miatrika ny cuisine, misy dégagements malalaka, ary tsy misy varavarana tsy ilaina. Miaina tsara sy mivezivezy malalaka isika.

3️⃣MATÉRIAUX SAINS ET DURABLES
Mampiasa hazo, vato, ary enduits naturels. Trano mahatanty taona sady manaja ny fahasalamanao.

4️⃣EXTÉRIEUR INTÉGRÉ
Misy terrasse couverte manohy ny séjour, ary zaridaina kely na dia amin'ny velarana kely aza. Mihamora ny fifandraisan'ny ao anatiny sy ny any ivelany (dedans/dehors).

5️⃣VOLUMES BIEN PENSÉS
Plafonds hauts izay manome fahatsapana fahalalahana, misy rangements intégrés isaky ny toerana, tsy misy tany fatiantoka.

✨NY VOKATRY NY ASA:
Trano iray hifohazanao miaraka amin'ny masoandro 🌞
Toerana ahitana hazavana sy hafanana mandritra ny fiarahan'ny mpianakavy misakafo 🍽
Izarana fifaliana ho an'ny ankizy milalao am-pilaminana ao an-jaridaina 🌿
Isaky ny efitra dia manome fahavitrihana hipetraka sy hiala sasatra 📚

👷‍♂️Ao amin'ny M Hiri Design, tsy vitan'ny manao plans fotsiny izahay. Ny fiainanao rahampitso no amboarinay.

📱Mila trano mifanaraka amin'ny fanirianao ve ianao?
Andefaso hafatra manokana (message privé) izahay miaraka amin'ny hevitrao. Na dia sary tsotsotra (croquis) amin'ny taratasy aza. Hanampy anao izahay hanatanteraka izany.

Satria ny trano dia tsy rindrina fotsiny. Ao no isehoan'ny tantaram-piainana rehetra. ❤️

⚠️ FAMANTARANA 3 FA MILA DIAGNOSTIC NY TRANONAOMahatsapa ve ianao fa misy zavatra tsy milamina ao an-tranonao? Indraindr...
04/03/2026

⚠️ FAMANTARANA 3 FA MILA DIAGNOSTIC NY TRANONAO

Mahatsapa ve ianao fa misy zavatra tsy milamina ao an-tranonao? Indraindray, miha-simba miadana ny trano nefa tsy tsikaritra akory. Ireto misy famantarana 3 tokony hampitandrina anao:

🔴 1. Misy "fissures" miha-mivelatra
Mety hisy foana ny fissure kely (vokatry ny tassement na sécheresse). Saingy raha miha-lehibe izany na misy vaovao mipoitra, dia izao mihintsy no fotoana tokony hijerena azy.

⚫️2. Ny "humidité" mitarazoka
Moisissures, tasy maintimainty eo amin'ny plafond, fofona mando na maimbo lao... Ny humidité dia manimba ny fahasalamanao SY ny tranonao. Arakaraka ny handraisana fepetra aloha no mahatsara azy.

🔵3. Varavarana sy varavarankely mikatso
Raha sarotra hidiana ny varavaranao na mafy sokafana ny varavarankely, dia tsy ara-dalàna izany. Matetika dia famantarana ny fisian'ny mouvement ao anatin'ny structure izany.

👷‍♂️ Ny M Hiri Desing tsy mivarotra asa fotsiny, fa mivarotra solutions.
🚐Mankeny an-toerana izahay, mijery, manao diagnostic, ary manolotra vahaolana mifanaraka amin'ny budget-nao. Tsy misy engagement, tsy misy fanerena.

🤔🏚Misalasala ve ianao amin'ny trano fonenanao?
📷🏞Alao sary ilay olana ary alefaso aminay amin'ny message privé. 📩
Hanome ny hevitray maimaim-poana izahay. 💡Tsy misy devis, tsy misy obligation, torohevitra maimaim-poana fotsiny.

Miresaka aminao ny tranonao, mianara mihaino azy. ??

TANY 7x10m (70m²) : INONA NO TENA AZO ATSANGANA EO? EPISODE 3Tandremo : tsy ny velaran’ny tany manontolo no azo iasana! ...
03/03/2026

TANY 7x10m (70m²) : INONA NO TENA AZO ATSANGANA EO? EPISODE 3

Tandremo : tsy ny velaran’ny tany manontolo no azo iasana! Tsy maintsy hajaina ny reculs (ny elanelana amin’ny arabe sy ny mpiray vodirindrina).

Indreto ny zavatra azo tanterahina RÉELLEMENT :
🏠 HEVITRA 1 - Trano kely misy rihana iray (R+1)

RDC (16m²) : Entrée + cuisine américaine

Étage (16m²) : Chambre + salle d’eau

Total : 32m² habitables

Mety tsara ho an’ny mpivady vao na fampiasam-bola (investissement locatif)

🏢 HEVITRA 2 - Trano misy rihana roa (R+2)

RDC (16m²) : Séjour/cuisine

1er étage (16m²) : Chambre + salle de bain

2ème étage (16m²) : 2ème chambre na terrasse

Total : 48m² habitables

Tonga lafatra ho an’ny fianakaviana kely

🏪 HEVITRA 3 - Birao/Fivarotana + Trano fonenana

RDC : Petit local commercial (16m²)

1er étage : Studio (16m²) hofaina

Afaka mahazo fidiram-bola indroa mitombo!

💡 Ny torohevitray : Rehefa kely ny velaran-tany, manorena miakatra any ambony! Plus d’étages = plus d’espace nefa tsy mandany ny tany malalaka.

📏 Fampahatsiahivana : Tombatombana ihany ireo fikajiana ireo. Ny commune tsirairay dia samy manana ny fitsipiny (reculs samy hafa). Mangataha fanamarinana foana amin’ny professionnel!

👉 Fizarana manaraka : tany 8x12m (96m²)

Manana tany ve ianao ka mila estimation personnalisée? Alefaso amin’ny message privé ny refiny! 📏

MANANA TANY 10x7m (70m²) ? IZAO NO AZO ATAO AMIN'IZANY ! 🏗️📐1er Choix : Maison plain-pied na Villa Basse    Surface habi...
24/02/2026

MANANA TANY 10x7m (70m²) ? IZAO NO AZO ATAO AMIN'IZANY ! 🏗️📐

1er Choix : Maison plain-pied na Villa Basse

Surface habitable : ~50-60m² (araka ny reculs obligatoires)

Chambre ao anatiny :
🛋️ Séjour/Salon : 20-22m²
🍳 Cuisine misokatra : 8-10m²
🛏️ Chambre 1 : 11-12m²
🛏️ Chambre 2 : 9-10m²
🚻 SDB : 4-5m²
🚽 WC misaraka : 2m²

Mety ho an'ny : mpivady tanora, zokiolona, na famille kely 4 à 6 personnes

Manana tany hoatran'ny hoe kely ve ianao ? Mba tianao hasiana Villa Basse ve ?

📞 Afaka manampy anao ny M Hiri Desing, midira MP avy hatrany mba ahafahanay manampy anao bebe kokoa! 📩

MANANA TANY 10x7m (70m²) ❓ INONA NO AZO ATAO AMIN'IZANY REHEFA JERENA NY NORME INTERNATIONALE ❓ 🏗️📐    Surface habitable...
22/02/2026

MANANA TANY 10x7m (70m²) ❓ INONA NO AZO ATAO AMIN'IZANY REHEFA JERENA NY NORME INTERNATIONALE ❓ 🏗️📐

Surface habitable : ~50-60m² araka ny reculs Obligatoire

📏 NY NORME INTERNATIONALA TOKONY HOHARAHAINA :

🔹 Chambre double : farafahakeliny 11-12m² (ho an'ny fandriana 160x200 + fivezivezena)
🔹 Chambre simple : farafahakeliny 9m² (araka ny norme ISO)
🔹 Hauteur sous plafond : farafahakeliny 2,20m (M Hirin Desing conseil 2,50m)
🔹 Séjour : tsara raha > 20m²
🔹 Salle de bains : farafahakeliny 3,5-4m² misy douche/lavabo/WC
🔹 Cuisine : farafahakeliny 7-8m² raha mitokana, 10-12m² raha miaraka amin'ny séjour(cuisine américaine)

À suivre...
Première possibilité : trano afaka aorina amin'ny tany 10x7m (70m²)

Raha misy fanontaniana, soraty eo am Commentaire 👇👇na midira MP avy hatrany📩

❓❓Plancher en bois sa sol en béton carrelé ❓❓ Ireto ny hevi-dehibe hanampy anao hisafidy 👇• Plancher en bois : mafana sy...
20/02/2026

❓❓Plancher en bois sa sol en béton carrelé ❓❓
Ireto ny hevi-dehibe hanampy anao hisafidy 👇

• Plancher en bois : mafana sy mampahazo aina rehefa tongotra tsy misy kiraro, tena tsara amin'ny fanakonana feo sy hafanana(isolation phonique sy thermique). Mety tsara ho an'ny salon sy efitra fatoriana. Mila fikarakarana matetika (vernissage azo atao) fa mampitombo ny valeur ny tranonao nefa. 🌳✨

• Plancher béton + carrelage : tena maharitra, mora fikojakojana, tonga lafatra ho an'ny efitra mando (cuisine, salle de bains, buanderie). Compatible sy mahomby miaraka amin'ny plancher chauffant. 👷‍♂️🛁

Soso-kevitra : safidio ny plancher en bois raha tia trano confortable tsara, ary ny carrelage ho an'ny trano tianao haharitra sy holovain-jafy nefa tsimila fikarakz'arana be. Raha tianao daholo izy roa dia, misafidiana carrelage imitation bois na parquet contrecollé apetraka amin'ny chape chauffante. 😊

Mila torohevitra manokana (efitra, teti-bola, pose) ?Afaka mandefa message privé — Afaka manampy anao hisafidy izahay! 📩

Futur projet
07/02/2026

Futur projet

🏗️ Lafo be ny manorina rehefa tsy mahafantatra ny lafiny technique 💸Amin’izao fotoana izao, maro ny olona manorina trano...
02/02/2026

🏗️ Lafo be ny manorina rehefa tsy mahafantatra ny lafiny technique 💸

Amin’izao fotoana izao, maro ny olona manorina trano amin’ny copie de modèle hita amin’ny Internet na amin’ny manodidina, nefa tsy mahalala ny rôle technique réel an’ireo éléments architecturaux ampiasaina. Ny piliers, lames verticales, lames horizontales na lames obliques dia apetraka matetika noho ny esthétique fotsiny, kanefa manana anjara asa lehibe izy ireny : protection solaire, ventilation naturelle, confort thermique, protection contre la pluie, ary indraindray aza rôle structurel.

👉 Inona no olana ?

Rehefa tsy voahevitra tsara na tsy ilaina akory ireo éléments ireo, dia mandany vola betsaka foana nefa tsy misy tombony azo.

Vokany : trano mafana loatra, climatisation be loatra, fanamboarana indray rehefa vita ny asa, ary gaspillage de matériaux.
Tsy hoe manao trano tsara tarehy fotsiny ny fanorenana.
Fa indrindra koa ny mahatakatra ny antony anaovana ny singa tsirairay.

✔️ Fahadisoana vitsy
✔️ Fandaniana tsy ilaina mihena
✔️ Fiainana andavanandro mahazo aina kokoa
📌 Tsara kokoa ny choix technique voahevitra tsara noho ny décor inutile.

Address

Antsirabe

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when M Hiri Design posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share