AEM Toamasina

AEM Toamasina Association d'Entraide Madagascar

AEM mandray andraikitra!
28/03/2026

AEM mandray andraikitra!

23/03/2026
Ho antsika tanora eto Toamasina aza misalasala miditra mpikambana fa vonona handray anareo izahay.😀😊
23/03/2026

Ho antsika tanora eto Toamasina aza misalasala miditra mpikambana fa vonona handray anareo izahay.😀😊

Asiana fanazavana kely momban'ny AEM indray fa betsaka ny vaovao eto amin'ny Pejy ❤️

Ny AEM izany dia association noforoniko niaraka tamin'ny mpanaraka ny pejy tamin'ny 2024. Taitaitra teo fotsiny aho hoe maninona moa raha mba mifanampy dia nanao annonce dia booomm : niforona ny AEM 😁

Amin'ny maha association d'entraide azy moa dia fifanampiana no atao ao ary fampivoarana ny maha olona vatana sy saina no tarigetra.

Misy karazany maromaro ny fifanampiana :
✅ Fifanampiana eo amin'ny fitadiavam-bola :
- misy projet 4 isa afaka anaovana investissement ato, ahazoana 25% à 40% ny vola apetraka. Efa misy 200 M ar ny vola mihodina ao
- misy fizarana opportunité toy ny asa, projet sns
Efa maro ny mpikambana AEM lasa niasa tato amin'ny orin'asako, misy eto Tana misy any Marovoay. Nifanaraka mantsy izahay tato hoe rehefa manao recrutement dia ny mpikambana AEM no prioritaire. Misy tompona orin'asa hafa manao zavatra toy izay ihany koa ato

✅ Fizarana traikefa :
Misy formation kely foana ato ary misy club de langue ihany koa.
Anisany Ilay formation Entrepreneuriat miaraka amiko amin'ny sabotsy, azo atrehin'ny daholobe izy io.

Ankoatr'ireo moa dia manampy ny mpiara-belona ny AEM, efa misy projet mandeha ao mba hanampiana Akany mitaiza ankizy kilemaina.

👉 Ireto ny tanjon'ny AEM :
- Ho tonga fikambanana ngeza be misy impact amin'ny fiainan'ny Malagasy rehetra
- Hanova ny fiainan'ny Malagasy amin'ny alalan'ny fanabeazana

🛑 Tsy misy ambadika politique ny AEM ary tsy hivadika antoko politika mihitsy fa aleo ny politika ho an'ny mahay azy hoy izahay izay 😁

🛑 Mbola misy banga be dia be ao amin'ny AEM ka raisina daholo izay olona afaka manampy :
1- Tsy ampy ny formateur afaka manao partage : arakin'ny hitantsika moa dia izaho irery ihany no manome formation ho an'ny daholo be ao amin'ny AEM, misy formateur maromaro ato fa formation ato amin'ny fikambanana ihany no afaka omeny satria be asa be izy.
2- Mbola tsy ampy hanohanana ireo projet ny zandry zanaka ny volan'ny fikambanana, vao roa taona mantsy ny AEM no nihodina. Ny vola amin'ny resaka investissement nefa tsy an'ny AEM velively fa an'ireo porteur de projet sy investisseur, mampitambatra fotsiny no asan'ny AEM ary volana cotisation ihany no mba azy
3- Tsy ampy hanampiana ny mpiara-belona ny vola eo an-tanana. Betsaka ny olona mangataka fanampiana aminay fa tsy afaka mamaly izahay satria mbola osaosa ny caisse.
4- Mbola tsy ampy ny membre :
Raha ny tianay dia ao daholo ny karazana Malagasy rehetra : foko 18, tantsaha, mpandraharaha, mampianatra, mpitsabo, avocat, mpitsara, mpitandro ny filaminana sns
Mbola vao 170 ny membre izao

Raha liana amina projet ambitieux hampandroso ny firenena ianao dia midira AEM, tsy hoe miditra ao ianao dia ho volosina fa gagnant gagnant ny ao 😉

Efa misy AEM roa izao eto Madagascar
AEM ho an'ireo eto Tana
AEM Toamasina ho an'ireo any Toamasina
Tsy mifampitsabaka ireo fa Mahaleo tena amin'ny activités izay atao rehetra

🌍 IREO ORINASAN-TSAMBO SY AGENCE  AZO ANAOVANA FANGATAHAN'ASA HO AN'IZAY MANIRY TE HIASA AMIN'NY SAMBO 🛳️ 1️⃣ Carnival  ...
19/03/2026

🌍 IREO ORINASAN-TSAMBO SY AGENCE AZO ANAOVANA FANGATAHAN'ASA HO AN'IZAY MANIRY TE HIASA AMIN'NY SAMBO 🛳️

1️⃣ Carnival
jobs.carnival.com

2️⃣ Royal Caribbean careers.royalcaribbeangroup.com

3️⃣ NCL nclh.wd108.myworkdayjobs.com

4️⃣ Disney
jobs.disneycareers.com

5️⃣ Princess
princess.com/careers

6️⃣ MSC
careers.msccruises.com

7️⃣ Holland America hollandamerica.com/careers

8️⃣ Costa
costacruises.com/careers

9️⃣ Celebrity celebritycareersatsea.com

1️⃣0️⃣ P&O
pocruises.com/careers

1️⃣1️⃣ Seabourn seabourncareers.com

1️⃣2️⃣ Virgin/Apollo virgin.myapollocareer.com jobs.myapollocareer.com

1️⃣3️⃣ cast-a-way.com/jobs

1️⃣4️⃣ Harding Retail careers.hardingretail.com

1️⃣5️⃣ All Cruise Jobs allcruisejobs.com

1️⃣6️⃣ Effy Jewelry [email protected]

1️⃣7️⃣ Portside portsideconsulting.co.za

1️⃣8️⃣GRISA
grisa.hirecentric.com

1️⃣9️⃣ Shosholoza Ocean Academy shosholozaoceanacademy.co.za

2️⃣0️⃣ V.Crew
leisure.vcrew.com

2️⃣1️⃣ CTI USA
cti-usa.com/oceania

2️⃣2️⃣ Hiren International hireninternational.com/jobs

2️⃣3️⃣ Scenic scenicgroupcareers.com/all-jobs

2️⃣4️⃣ Kouzon
careers-page.com/kouzon-corporation

2️⃣5️⃣ JobTrain UK
jobtrain.co.uk

2️⃣6️⃣ SA Crew
sacrew.co.za

Fanamarihana
🔹 Maimaim-poana fanaovana candidature anaty site ofisialy ( Raha ianao tompiny ihany no miketrika azy)
🔹 Jereo izay tena mandray Gasy débutant
🔹Manaova CV professionnel mifanaraka amin'ny fenitra Sambo eken'ny ATS Friendly
🔹Miomana amin'ireo dossier n-Tsambo.

Mirary soa e

Ndao hifanampy 🙏🇲🇬🛳️

Sary fanehoana

Akory aby o ❤️Hamaly ireo fanotaniana matetika apetrakareo izahay eto amin'ny AEM androany. Lavalava fa mba vakio hatram...
13/03/2026

Akory aby o ❤️
Hamaly ireo fanotaniana matetika apetrakareo izahay eto amin'ny AEM androany.
Lavalava fa mba vakio hatramin'ny farany

1- Inona ilay AEM ?
👉 Association d'Entraide Madagascar no fanalavana azy, Ny AEM dia vovonana iray ahafahana mifanohana / mifanosika amin'ny lafiny rehetra :
- Fianarana
- Fitadiavana ary
- Fiainana amin'ny ankapobeny

2- Inona daholo ny zavatra atao ao ?

✅ Mifampianatra :
- mifandimby manao formation kely amin'ny alalana vision conférence izay mpikambana manana traikefa kely afaka zaraina, misy formation présentielle ihany koa
- misy débat kely foana ahafahana manatsara ny fomba fiainana sy fisainana
- misy club de langue (anglisy / frantsay) mba hahafan'ny tanora mivoatra

✅ Fifanohanana eo amin'ny sehatrin'ny fihariana :
- misy projet maro azo anaovana investissement ato amin'ny AEM
- afaka manohana ny projet ny AEM, ohatra hoe manana projet hanao taxi moto ianao dia mangataka vola kely amin'ny AEM mba hividianana moto
- raha manana orin'asa ianao dia misy ankizy maro afaka mivarotra ny produit-nao na ny service-nao ato, mba omenao commission r'izareo
- fampihaonana ireo tia sy manina 😅 ohatra : mpiasa mitady mpampiasa, ankizy manana projet mitady investisseur

✅ Fanampiana ny mpiara-belona :
- Formation : misy ny formation natao ho an'ny daholo be fa tsy rehefa mpikambana ihany vao afaka misitraka ny formation
- Fanampiana ny sahirana : efa maromaro ny hetsika nataonay momba azy ity ary ny hetsika goavana be amin'ity taona ity dia ny fananganana trano ho ana akany iray mitaiza ankizy sembana ara-tsaina eny Malaza

3- Olona toy ny ahoana no afaka miditra AEM ?
👉 Tsy manavakavaka izahay fa afaka miditra daholo dia samy maka ny toerana tokony hisy azy sy mifanaraka amin'izay tadiaviny. Mety hoe club de langue fotsiny aloha no idiranao ato izao fa rehefa kelikely dia ianao ihany no hitady andraikitra ato.

👉 Raha hiditra ianao dia 10 000 ar ny droit ary 5 000 ar par mois ny cotisation. Inty ny rohy anaovanao

Address

Tanambao 5
Toamasina

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when AEM Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share