ENS Toamasina - Tonga Saina

ENS Toamasina - Tonga Saina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from ENS Toamasina - Tonga Saina, Home improvement, Université Barikadimy, Toamasina.

😊Noho ny olana nisy teo aloha, izay nitadiavana vahaolana niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ny Université Toamasina ...
09/04/2026

😊
Noho ny olana nisy teo aloha, izay nitadiavana vahaolana niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra ny Université Toamasina sy tompon'andraikitra ato amin'ny ENS, dia najoro ny CSM (Cellule de Suivi et de Médiation) 📢. Ka ampafantarina antsika mpianatra ENS rehetra fa mijoro ny CSM na Cellule de Suivi et de Médiation io, izay nambara ampahibemaso tamin'ny rassemblement ny alatsinainy 30 aprily lasa teo, ireo membres rehetra isaky ny mention mandrafitra izany, izay tarihin'ny Filoha TSARA Jean Delto 👨‍🏫.
Filoha lefitra: VELOMARO Maureli Bevann sy RAZAKASOA J. Francis.
Secrétaire Général: ANDRIAMALALA Jacquelin. Filohany filan-kevitra: RATOLOJANAHARY Masy Najaina 📝.
Natao ho mpanelanelana ny mpianatra sy ireo Administration no antony ijoron'io CSM io, ary mandray sy mihaino ireo olana misy eo amin'ny mpianatra na eo amin'ny mention tsirairay ka mampita izany amin'ireo tompon'andraikitra mba ahafahana mitady vahaolana sy misoroka ny tsy filaminana 🤝.
Ary ny membres ny CSM no mitazona vonjimaika ny andraikitra ny Filohany UENT mandra-pahatonga ny fifidianana Filoha vaovao ! ⏳
Nampafantarina izao mba ahafantsika mpianatra rehetra tsy misalasala manatona mitondra ireo taraina any amin'intsika sy mba hisian'ny filaminana maharitra ! 😊

22/11/2025
Tongasoa eto amin’ny “ENS Toamasina — Tonga Saina”.Pejy natao hampivondrona sy hampahafantatra ny zava-misy, ny hetsika,...
14/11/2025

Tongasoa eto amin’ny “ENS Toamasina — Tonga Saina”.
Pejy natao hampivondrona sy hampahafantatra ny zava-misy, ny hetsika, ary ny fiainam-pampianarana ao amin’ny École Normale Supérieure Toamasina.
Eto no toerana hizarana:
• Vaovao sy fanavaozam-baovao momba ny ENS
• Fahaizana, torohevitra ary fitaovana ho an’ny mpianatra
• Fanentanana sy adihevitra mahasoa momba ny fanabeazana
• Fanatsarana ny kalitao sy ny tontolo iainana akademika
• Hetsi-piaraha-monina, hetsika ara-kolontsaina ary hetsika tanora
Ny tanjonay dia ny hanangana sehatra iray mangarahara, mirindra ary mandrisika, izay ahafahan’ny mpianatra sy ny rehetra mifampizara hevitra, manangana vinavina, ary manampy ny fampandrosoana ny ENS Toamasina.
“ENS matanjaka, Tanora Tonga Saina!”

Address

Université Barikadimy
Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when ENS Toamasina - Tonga Saina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share