31/05/2025
Salama daholo 👋
Tranga iray tsy mbola nisy tao anatin’ny 60 taona ity zarainay aminareo androany ity .😂
Nisy olona nanao camping tato aminay , tsy nanao réservation moa ry zareo fa niantso fotsiny dia nilaza fa hanao camping izahay rahariva.
Dia novaliana,
-Sur réservation 2 andro mialoha tompoko ny ato aminay .
-Eny ary eh
Namerina niantso indray ni-insiste ,
- Tena tsy mety mihitsy ve tompoko ?
-Eny ary fa ho raisina ianareo …
Tonga ny hariva ,
-Prix d’entrée ihany aloha no alohanay tompoko fa mbola anaty téléphone ilay hofana tente dia rahampitso maraina izahay mijery cash point .
-Eny ary tompoko , mandray Mvola ihany koa izahay raha sanatria tsy mahita cash point ianareo
Ny maraina , lasa tsikelikely ny olona ,
-Ilay vola hofana tente kay ahoana azafady ?Ianareo Tao lasa daholo ?
-Andeha ijery cash point izahay
-Aleo mba misy mijanona ary miandry na afaka transfèréna direct aty aminay ihany koa .
-Aleo fa itady cash point izahay .
Olona roa nijanona niandry .
Ny vavahady moa nihidy, kanefa dia tsy nahasakana azy ireo nitsoaka ary nisaotiany ny tamboho rehefa sendra varina ilay responsable.
Natsoina moa ry zareo avy eo ,
-Fa tao lasa kay nareo nisaoty tamboho kanefa ilay hofana tente tsy mbola nalohanareo ?
- Aiza koa ? Tsy ao tsouny ve ry zalah? ( mody gaga ) Aleo fa iverina izahay
Dia indrisy anefa fa tsy niverina tsouny ny anao eh !😌
Fehiny : Ho antsika client rehetra , aleo mba vao Tonga dia aloha daholo ny vola .
Ho anareo ilay nitsoaka kosa , tsy folaka ve ny tongotra nisaoty tamboho ? 🥲😂
Raha Mora matoky ianao mora fitahana, araky io bio any io , fa izahay aloha t@ ity ry Mih Nomenjanahary mora natoky anao sy ny namanao dia voafitaka 🥲
Hafatra kely ho an’i Mih Nomenjanahary sy ny namany , ireo olona voalohany nanao ninja tato @ a la campagne , Tandremo ny fihetsika fa kely izao dia efa hanimba ny hoavy . Mianara tsara rankizy fa mampalahelo ny ray amandreny .
Tsy fanalana baraka akory ny Antony ity post ity fa mba fampitandremana ho an’ny hafa mahakasika an’ireto ninja ireto , ity ny numéro sy compte ho an’izay te itsidika kely 😂
038 72 709 24
Izay fa mazotoa daholo 😘