29/04/2026
Mila mitandrina ny vorona fa efa handoha vidina autorisation koa izy atsy ho atsy…
1 560 000 Ar no autorisation de pilotage de drone : fa hono hoa, nareo ngah no nividy ny drone-ko, sa nampianatra ahy ni-pilote no tokony omeko an’izany?
Dia avao tsara koa ilay izy : drone militaire, drone professionnel, & drone de loisir ? Tsy mitovy ny risk, samy hafa ny asany.
Ary amin'ny lafiny teknika aza misy latsaky ny 250 g, anelanelan'ny 250 g et 900 g, anelanelan'ny 900 g et 4 kg, dia misy mihoatra.
Dia raha atao hoe tsy vendrana be ilay fanapahan-kevitra : mba rariny ve hoe atao anaty sobika iray daholo ireo ka asaina mandoha vola mitovy ?
Bandy kely maka sary mariage mandray 500 000Ar, na influenceurs mampiroborobo fizahan-tany ery ve dia tsy maintsy hitety birao be dia be sy handoha vola be vao ahazo halalana ny fitaovana izay efa novidiny lafo?
Ilay izy amin'io tsy misy resaka hoe frais de formation hampihena ny accidents sy abus fa "autorisation" fotsiny ka rehefa manam-bola izany ianao dia izay tianao atao avy eo!
Ngah tena noana mafy mihitsy nareo ka ny olona tsy naninona taty no horinareo?
Ngamba koa vao drone kilalaon-janany ihany no nokitihany ka tsy fantany hoe ao anaty carte GEO efa tsy afaka hanidinana/misy fetra ny fanidinana eny amin'ny faritra atahorana (misy fiara manidina).
Raha nisy ahiana nanidina teny ambony tokotaninareo mpanao politika, ny volanareo ngah tsy ampy hividianana dispositifs hanakanana izany fa ny firenena iray manontolo no hamoahana ny have... ny tsy fahalalanareo ohatran'io?
Ianao ve mba mahita hoe normal izany hoe efa ho mila mitovy vidy amin'ilay fitaovana ny autorisation mampiasa azy ?
👎