01/07/2021
Ny botiry ?
Ny botiry dia ampahany iray amin'ny zava-maniry toy ny raviny, tsimoka, taho, faka... izay tazomina ho velona ahazoana faka hiteraka zava-maniry vaovao.
Ny zava-maniry dia afaka mitombo avy amina sombin'ny taova eo aminy noho ny fisian'ny sela manokana manana fahafahana ho lasa selan'ny ravina na selan'ny faka... Eo amin'ny vona izay ipoiran'ny tsiry vaovao, eo amin'ny faka na ny faritry ny taova teo aloha no ahitana izany.
Antony maro toy ny fitoerana ela ao anaty rano, tany na koa ny asan'ireo mpanafaingana fitomboana no mahatonga ny fiovan'ireo sela ireo ho lasa faka.
- Inona ary ny antony anaovana botiry?
Mitovy tanteraka, amin'ny lafiny rehetra amin'ilay zava-maniry reniny ny zanany.
Haingana, tsy ela dia ahazoana zanany amin'ireo zava-maniry ela fitombo.
Hitazonana sy hampitomboana isa ny zava-maniry haingana fitombo tsy ho lany taranaka.
Sarotra ny mamboly ny zava-maniry sasany avy amin'ny voany, ao koa ny tsy mitombo avy amin'ny fizarazarana.
Ny botiry ihany koa dia ahafahana mitahiry ny fitohizan'ny fiovana mahaliana mety hipoitra amin'ny zava-maniry iray.
- Inona avy ny dingana arahina amin'ny fanaovana botiry?
Fakàna, fanapahana, fambolena, fikarakarana ny botiry. Fiandrasana azy hitsiry.
Rehefa hanao botiry dia taova vao nalaina no ampiasaina.
Alaina vao maraina be ny faritra kasaina atao botiry. Ny omalin'iny dia tondrahana tsara ilay zava-maniry hakana azy mba ho vonton-drano sy matanjaka tsara.
Raha zava-maniry tsiloina sy tsy dia tia rano loatra dia atao amin'ny maimaina kely aloha vao atsatoka.
Tsy maninona raha efa somary notahirizina anaty fonony na tavoahangy plastika ary apetraka amin'ny toerana mangatsitsiaka ilay botiry.
- Toy ny ahoana ny fanomanana ny hambolena azy ity?
Miova arakarak'ilay ho ambolena ny tany sy toerana asiana azy. Matetika dia toerana misy rivotra (tsy mandrivotra be) ary mando amin'ny antonony.
Amin'ny ankapobeny dia 2/3 tany masaka azo avy amin'ny fahalovan'ny zava-maniry + 1/3 fasika ny atao fangaron'ny tany.
Fasika avy amin'ny ranomany na fasika avy amin'ny ranomasina avy nosasàna (hialan'ny sira) no ampiasaina amin'izany.
Tsy mitovy amin'io voalaza io ny fangaro raha "plantes grasses" sy tsy dia mila hamandoana loatra. Ampitomboina ny ampahana fasika, ary ahena ny tany masaka.
Tsara ihany koa ny miomana amin'ny fiarovana ny botiry amin'ny fahalovana sy bobongolo : Asiana potika saribao any amin'ny fanambanin'ny tavy. Miaro amin'ny olatra na "champignons" kosa ny fanondrahana azy amin'ny rano misy vovoka saribao.
Mety ambolena azy na tavy plastika na tany, "sachet" plastika, boaty bôritra (tsy atao mando be), tapaka tavoahangy...
Mba hiarovana amin'ny fientonana dia azo atao ny manarona ny botiry amin'ny plastika, tapaka tavoahangy, toerana voarakotra, na atao amin'ny toerana efa voatokana amin'izany toy ny "serre" fa tandremana kosa tsy ho voakitika na voadona ny ravina mitsiry. Apetraka amin'ny toerana azon'ny hazavana nefa tsy tara-masoandro mivantana.
Indrindray ilaina ny singa manafaingana ny fitsirian'ilay botiry toy ny "hormone de bouturage" fa matetika dia ny ady gasy amin'ny kalitaon'ny zezika sy ny tany hambolena azy ihany dia mety.
Tsy manana faka hitroany rano ny botiry. Noho izany dia ilaina ny fanondrahana amin'ny antonony, tsy atao dibo-drano.
Tsara raha diovina ny fitaovana ampiasaina hiarovana ny fifindran'ny aretina amin'ny zava-maniry samy zava-maniry.
Somary lava, kanefa ankasitrahako indrindra raha nahaliana anao ity tapany voalohany momba ny botiry ity.
Mandra-pihaona eto indray ary,
voon kazz 😊😊
Aza adinoina ny 👍 amin'ny pejintsika, hanarahanao ny fifampizarana 😊😊