Mamy Haja
- Home
- Madagascar
- Antananarivo
- Mamy Haja
Tianao ho tanteraka ny nofinofinao ? Handroso -nao ? Hanosika anao izahay ato. Cliker_o ny "déjà abonné" avy eo " voir en premier"
(15)
Address
Lot II A Ivato
Antananarivo
101
Website
Alerts
Be the first to know and let us send you an email when Mamy Haja posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.
Shortcuts
Category
Iza aho ?
Stéphane MH no anarako ary ny tanjoko dia : hivoatra, hahomby, ho tafavoaka ary handresy ianao amin’ny fiainanao manokana sy arak’asa. Olona tsotra kely, mety tena tsotra kely noho ny olon-drehetra aho. Ary tsy mba nisy namporisika firy amin’ny fananganana zavatra izany mihitsy taloha satria tao amin’ny fianakavianay sy ny manodidina ahy dia olona niasa tanaty orinasa avokoa. Nanana tanjona aho hoe hiasa anaty orinasa ary ho lasa Directeur ambony any aoriana any (afaka 10 na 20 taona any). Kanjo nisy zavatra maro be niseho izay nahatonga ahy resy lahatra fa tsy ao anaty orinasa intsony ny toerana tokony hisy ahy, rehefa avy nitety orinasa amam-polony. Nisy olona nikitika kely ny saiko ary nanokatra ny masoko hoe kay mihoatra lavitra noho izay nataoko hatramin’izay ny zavatra tokony ho vitako raha manangana ny fiainako amin’ny lafiny rehetra aho (fiainana manokana, arak’asa, ara-panahy...). Ka nanomboka nanangana ny orinasako aho tamin’ny 23 taona. Mbola tena kely ny orinasako nefa efa misy zavatra kely azoko zaraina aminareo sahady ary hiaraka handroso isika. Raha misy ny lesona lehibe noraisiko dia hoe: ao an-tsaintsika tsirairay ihany ny fiandohan’ny fahombiazana sy ny tsy fahombiazana. Ka raha te ho te handroso dia tadidio fa mpandresy ianao.