19/11/2025
Gasikara
Toa kanto loatra hono ianao ry gasikara?
Fa...Gasykarakaina
Taloha ianao toa maitso,
Mavana sy tsara,
Ankehitriny anefa toa lasa Nosy maina
Eny, na ny mponinao aza,
Tsy toy ireo taloha
Fa niova sy nivoatra, ary dia malaza
Fa...Gasykarandoha
Tsy fantatra intsony izany valin-tanana,
Malaza tsy hihinanana toa vilian-tsahona
Fahiny ny asa atao aza toa hifamaliana,
Fa ny androany kosa toa...Gasykaramaina
Raha tonga ny mpananika hanafika tanàna,
Niray ny Malagasy fa hiaro izato Nosy,
Izao anefa aloha tsy izay no zava-misy,
Malalaka ny Tany fa...Gasykarakara
Malaza hono mantsy fa maro sy mitombo,
Ireo miditra an-tsekoly
Izany anie tsy lavina e...Marina daholo
Tsy arakarak'io anefa ny zavatra mahazo,
Mbola hita taratra eny fa...Gasykarabado