07/05/2026
Trano kay Fasana
Tsara ho fantatra aloha mialohan'ny hizarako ilay tantara aminareo fa efa nahazo halalana tamin'ireo olona tao amin'ilay tanana vao namoka ity sary ity. Ary vao hizara ny tantara satria tena saika lasa adala izahay efatra miralahy niatraka ity tranga ity. Fa kosa ho fanajana ilay tanana dia tsy ho lazaiko eto ny anarany, satria tena olon'ny fiaramonina ireo olona ireo ary tena nanampy anay tamin'izany.
Nande nanao hiraka tany amin'ny faritra izahay efitra miralahy, lavitra moa ilay toerana ka na dia niala teto Iarivo andro atoandro aza dia tratra alina teny an-dalana. Nifandimby nitondra ireo nahay fiara rehefa reraka ny sasany dia mifamafibadika eo. Mba nanaraka irony fiara mpanao lava alina irony fa tsy nety ilay izy, satria vao mandondona kely azy ireo dia mitsoka mandeha mafy be izy. Ary noraisiny ho manenjika na manao fifanenjehana amin'izy ireo izahay, anefa ny tena nanarahanay azy ireo efa tratra alina teny an-dalana vao tsapa sy hita fa somary maizimaizina ny jirony ny ilay fiara ny orinasa nohentinay.
Ny tao moa bandy be daoly ary tena tafiaraka samy toaka lahy, sady misotro eny an-dalana no mikorona be tsy misy otrizany. Mande ny vazovazo etretra iny... Ny tabatabanay sy ny feonay no nanala ny fahanginanay tamin'iny lalana iny tamin'iny andro alina be tsy dia nisy olona firy. Ny erikerika koa tao ivelany tao tsy nijanona mihitsy, nisy azy moa toerana nolalovana tena oram-baratra be tady tsy ho hita hatramin'ny lalana tokony hizorany ny fiara. Ny lalana koa malama mazava ho azy dia somary nande nilamina amizay navela izay nisongina ande any. Izahay koa tena nitandrina mafy fa ndrao ho tra-doza eny an-dalana.
Izany rehetra izany no namakivakinay an'iny lalana iny sy ny ora nipaika rehetra tamin'iny alina iny, hatreo amin'ny 1ora maraina tany ho any nilamina tsara ny teny an-dalana. Niditra an'ilay tanana iray izay amizay izahay indro tovovavy iray mibaby zaza, eo amin'ny sisin'arabe fafazany erikerika manify no nanakana anay. Tsy nisy nisalasala na dia iray aza taminay efatra miralahy, fa samy nanaiky avokoa ny hiakarany ao anaty fiara.
Tovovavy zarazara fihodirana olioly volo, mibaby zaza amin'ny lamba somary manify miloko mena, ny akanjo nanaovany mainty ambony ambany dia kapakapa irony. Fa somary taitra ihany ny tenako rehefa nahatsapa fa tsy mando akory izy na dia kely aza, satria izaho no teo akaikiny no nipetraka. Anefa raha ilay erikerika tsy nijanona dia tokony ho mando ihany izy na dia kely aza. Tsy haritro izany dia nanotany azy avy hatrany aho, efa ela ve hianareo mianaka no nanakana fiara teo ?.
Aaa...ka vao haingana ihany teo amin'ny 20 minitra teo angamba, hoy izy namaly ahy tamin'ny feo malefaka sady namoka tavoahangy kely na ranamonitra avy ao anaty poketrany dia nitifitra moramora ny lambany izy mianaka. Sady mijery tsara ahy no mitsiky kely ihany, fa raha ny fomba fijeriny dia tahakan'ny te-hiteny amiko hoe ยซ Aza jerena foana izahayยป. Tsikaritrany koa angamba izaho mijery azy foana, ka nanamboka teo aho dia niezaka nimbanjina ny lalana sady niresaka tamin'ny ireto namako izay efa tena tafiditra tanteraka tao anaty famamona sevaseva hoy ny filaza ny maro azy.
Rehefa nanotany izahay dia nilaza izy fa eo amin'ny 27 kilometatra eo ilay tanana misy azy, dia mbola mande tongotra kely somary lavitra akaiky izy mianaka vao tonga ao an-tranony. Ireto namako moa olona tia misangisangy ka tsy nisalasala mihitsy nilaza tamin'ny ity ramatoa kely Kanto dia Kanto ny hendriny indrindra rehefa mitsiky iny ny hoe:
โ Ary sody mba misy masaka azo hohanina any madame, fa tena noana be izahay?.
โTsy maninona ka, ndao rehefa tonga any dia afaka mandroso any an-trano hianareo hoy ity ramatoa kely izay mbola samy tsy nanantona ny anarany akory izahay fa tonga dia ny fasahina sy sangisangy no lasa mialoha.
Raha mahaliana anao dia araho hatrany ny pejy Andao ho fantarina ๐ฒ๐ฌ๐ฅ